Jeudi 3 mars 2011
4
03
/03
/Mars
/2011
12:55
Hatramin’izao dia mbola tsy manomboka ny asa fanorenana ny gare routière eto fianarantsoa ; raha efa saika vita ny any amin’ireo tanan-dehibe rehetra eto madagasikara.
Politikan’ny minisiteran’ny fitaterana ankehitriny, mifandray amin’ilay hoe « partenariat public privé » ny fanorenana « toeram-pihantsonana ny fiarakodia » gare routière
manara-penitra isaky ny renivohim-paritany sy tanàn-dehiba sasany eto madakasikara. Amintsika miteny izao dia ny GR an’i Fianarantsoa sy Toliary sisa no mbola tsy manomboka ny asa.
Zava-dehibe ho fampiroboroboana ny toekarena eto Fianarantsoa ny fisian’io gareo routière io saingy tsy mety manomboka ny eto fianarantsoa noho ny antony maromaro :
1 - ny tany hanorenana azy : Tany manoloana ny « cour d’appel » no tokony hanorenana azy io. Mizarazara be ihany anefa ny tompon’io tany io : minisiteran’ny fiompiana,
fianakavian’ny tompon’andraikitra teo aloha …
2 – ny fahazahoana ny tsena : mifandray akaiky amin’ireo tompon’andraikimpanjakana ireo orinasa mpivarotra solika tokony hanao ny asa fanorenana (JOVENNA sy GALANA)
Par mosccedii.over-blog.com
0
Jeudi 3 mars 2011
4
03
/03
/Mars
/2011
12:54
Nandritra ny fankalazana ny faha folotaonan’ny CEDII dia nasaina nanao famelabelaran-kevitra mikasika ny rano sy ny jiro ny JIRAMA.
Amin'ny fotoanan'ny maintany, misy elanelany 1400M3/j hatramin'ny 2500m3/j ny filan’ny mponina rano sy ny vokatra rano omen'ny JIRAMA. Amin’ny ankapobeny dia manodidina ny 6400m3/j eo
ny rano jifan’ny mponina eto Fianarantsoa. Misondrotra kely izany amin'ny maintany. 4800m3/J eo anefa ny vokatra vokarin’ny JIRAMA amin’ny main-tany, raha tafakatra 8000m3/j izany amin'ny
fotoanan'ny orana ; miainga amin'ireo tobim-pamokarana telo (Antarambiby, Mandranofotsy, Ankidona).
Dia ahoana ny vahaolana ? Efa nametraka fotodrafitrasa hampitombo ny rano vokarina eny Ankidona sy Antarambiby ary Vatosola ny JIRAMA ary manao fanabeazana ny mpanjifa hitsitsy ny Rano. Vahaolana
fohiezaka izany ; fa hiatrehana ny lavitrezaka dia tokony heverina sahady ny fomba hitrandrahana tobim-pamokarana hafa : ny reniranon'ny Mahatsiatra ohatra.
Ilaina heverina koa ny fiatrehana ny olana fototra : noho ny dorotanety dia tsy mitazona rano intsony ny nofontany ; ny fambolen-kazo anefa tsy ampy (tsy mbola kolontsain'ny olona
andavanandro ny fambolen-kazo).
Mety azo azavaina amin’ireo tarehimarika ireo ve ny antony tsy mamparisika ny mpandraharaha hanangana orinasa eto Fianarantsoa sy ato amin’ny faritra Mahatsiatra Ambony ?
Noho ny tsy fahampiandrano mamatsy ny toby famatsiandrano eny Namorona dia olana koa ny jiro.
Par mosccedii.over-blog.com
0
Jeudi 3 mars 2011
4
03
/03
/Mars
/2011
12:50
Na dia eo aza ireo fahalemena isan-karazany misy eo amin’ireo tanora ireo , dia
heverina fa tena manana adidy sy andraikitra lehibe tokoa ny fitondram-panjakàna mahefa , satria izy no tompo-marika voalohany eo amin’ny fitadiavana
paik’ady maharitra hiadiana amin’ity olana amin’ny famoronana asa ity , indrindra fa ny fitsinjovana manokana ireo nahavita fianarana sy fiofanana mba ho matihanina.
Efa taona maromaro izao dia tsy hita taratra mazava izay andraikitra tena noraisin’ny fitondram-panjakàna
mahefa nifandimby teto Madagasikara manoloana ny zava-misy mahakasika ity olana amin’ny famoronana asa ho an’ny tanora ity , fa toa ny
fanafosafoana amin’ny ankapobeny no tena hita sy re.
Manampy trotraka izany koa anefa ny ahiahin’ireo mpampiasa vola manoloana ny zava-misy. Na izy mpandraharaha ara-toekarena, na izy fandaharan’asa tsy
miankina mivantana amin’ny fanjakàna dia toa miraviravy tànana eo anatrehan’ny zava-misy ; raha tsy hilaza afa-tsy ny tsy fandriampahalemana any amin’ny toerana
manodidina sy ny fahasarotan’ny ny fandraharahana fototra ara-panjakàna eo amina sehatra maro isan-karazany toy ny
fananatany sy ny antotan’isa ho enti-manana ny vinavina eo amin’ny tetik’asa kasaina hatao , ary ny maro tsy ho voatanisa
Nandritra ny taona maro izao dia tsy nisy mihintsy ny paik’ady maharitra napetraka ho famahana ity olan’ny fitadiavan’asa ity
fa saika ny vonjy tavan’andro no betsaka , ary dia ny lafiny sosialy vonjimaika no tena tsinjovina matetika fa tsy ny firosoana ho any amin’ny
maha-matihanina . Raha tsy hilaza fotsiny ny fanaovana asa tanà-maro na ny HIMO isika , izay tsy tena namaha ny
fototr’olana fa toa fampanginan-jaza ara-politika fotsiny ihany
Fotoana hirosoana ho any amin’ny fanovana izao ka tsy azo atao intsony ny mangina fotsiny amin’izao manoloana ity resaka fitadiavana sy famoronana asa
ho an’ny tanora ity fa tsy maintsy irosoana amin’izay ny fitadiavana vahaolana mahomby sy maharitra..
Raha atao odian-tsy jerena mantsy ity sehatra anankiray ity dia hitombo hatrany ny isan’ireo tsy an’asa ka hiteraka ny olana
ara-tsosialy vaovao . Ary zary ho vinavina fotsiny ihany koa izany hoe tanànan’I Fianarantsoa hiaina amin’ny fampandrosoana izany.
Koa eto no anaovana ny antso avo ho amin’ireo manampahefana amperin’asa eto antoerana mba tena hijery akaiky sahady ny mahakasika ity famoronana asa ho an’ny tanora
ity fa tsy ho atao resabe mandalo fotsiny ihany , na izany amin’ny alalan’ny fanairana ny fitondram-panjakàna any ambony na izany amin’ny alalan’ny
fametrahana ny paik’ady matotra afaka hitondra vahaolana fa tsy ho afototra ao amin’ny fampanantenana fotsiny ihany.
Tsy ireo manampahefana ireo ihany anefa no hampitan-kafatra eto , fa anisan’izany koa ireo mpanao politika avy amin’ny firehana isan-karazany ,satria maro izy ireo
no milaza fa mahita vahaolana mahakasika azy ity .
Olana iraisan’ny be sy ny maro eto amin’ny tanànan’’i Fianarantsoa ity tsy fisian’asa ity ,koa alao hery fa tsy fotoanan’ny fiandrasana sy fampiandrasana intsony
Par mosccedii.over-blog.com
0
Jeudi 3 mars 2011
4
03
/03
/Mars
/2011
12:34
Aretim-pivalanana, tazo, tif
oida, takilodrano, pesita sns ary ny
atontan’isa tamin’ny taona 2010 dia manamafy fa: mahatratra 8000 amin’ny isan’ny mponina 180 000 eto Fianarantsoa tratry ny aretina vokatry ny tsy fahadiovana, mbola maro anefa ireo
narary fa nitsabo tena teny ho eny fotsiny, vola very amin’ny fanafody, fotoana lany amin’ny fitsaboana.
Fa aiza no toerana tsy ahitana loto eto an-tananantsika e? zoron-dalana takotakona, lakozy fivarotana hani-masaka zara fa misy rano madio, fotaka sy vovoka ary fako ivarotana ny entana
fihinana eo an-tsena, lakan-drano lasa fanarianana fivalanana sns
Tena zava-misy ireo, fiainantsika an-davan’andro ka mampanontany tena hoe : fa nankaiza ny olon-tety ? tena efa miraviravy tanana ve isika ? manam-pahaizana, tambanivohitra,
tanora, olom-pirenena, mpiasan’ny fahasalamana, tompon’andraikitry ny tanàna!!!! Fa ahoana e?
Ka fohazina isika satria ratsy ny maloto ary ny fahasalamana no loharanon-karena hoy ny fitenenana. Ka inona no lamina ho entintsika miahy ny fahadiovana eto amin’ity Tanana mamintsika ity,
fa sady fahasalamana no fahafinaretana ary fahamendrehana ny fahadiovana.
Ireo loharano iavian’ny loto?
Tsena, ny fako isan-tokan-trano, ny fanarian-drano isan-trano tsy misarona sy tsy voarindra, ireo fiompiana kisoa sy omby anaty Tanana, ny hotely sy fivarotan-tsakafo maloto ary ny
isam-batan’olona manary fonosana sy fivalanana etsy sy eroa. Fa misy ve fifampifehezana mazava efa napetrantsika momba ny fiarovana ny fako tsy hiparitaka hanenika ny Tanana?
Efa nisy ihany ireo hetsika natao hanentanana ny mpiray monina amin’ny fahadiovana: lava-pako, WC, fanariam-pako ara-potoana sns saingy tsapa fa hetsika nandalo ireny ka tsy nanova ny
an-davanandro, io hita eny rehetra eny hatrany ny loto.
Inona no fifitsinjarana andraikitra matotra efa nifanarahana hiantohana fa ny toerana rehetra mety hahitan-doto dia misy mpanadio avokoa eto Fianarantsoa? Ny isan-trano- ny eny an-tokontany- ny
lalan-kely isan-tanana, ny lalana rehetra sy ireo tany malalaka ao anatin’ny Fokontany, ny moron-dalana sy ny ara-be, ny toeram-pikarakarana sy fivarotana hani-masaka ary ny tsena.
Endri-pahadiovana toa inona no takiana amin’ireo toerana rehetra ireo, inona no andraikitry ny lehiben’ny boriboritany, ny Chef Fokontany, ny lehiben’ny arrondissement, ny mpiasan’ny
fahasalamana, ny fiadidiana ny Tananan’I Fianarantsoa fa mila ovàna izao zava-misy izao.
Manao ahoana tokoa moa ny rafitra iombonana momba ny fahadiovana eto an-tanàna?
Dabam-pako lehibe 85, mpamafa lalana 54 , fiarabe mpanary fako 05, trano fisainana sy fidiovana : 18 sns ; Fa an’isan’izay manaitra ny saina ny mahalala, araka ny fanadiahadiana natao
tamin’ny taona 2010 teo fa ny FKT Talatamaty dia tsy misy afa-tsy paompy fatasakan-drano iombonana iray, 02 ao amin’ny FKT Antarandolo ary 03 monja ao amin’ny FKT Ambatomena.
Azo atao ny manatsara ny fahadiovana eto amintsikaka ka mila miara-mientana isika manatevina ireo foto-drafitr’asa efa misy, mila fifanabeazana sy fanentanana maharitra ho an’ny rehetra ary
indrindra koa mandrafitra dinan’ny mpiray monina itsinjarana ny andraikitry ny sokajin’olona tsirairay ka hisian’ny fifampifehezantsika hampanjary ny fitondran-tena mitsimbina ny soa iombonana
dia ny fahadiovana fototry ny fahasalamana.
R.M
Par mosccedii.over-blog.com
0
Jeudi 3 mars 2011
4
03
/03
/Mars
/2011
12:29
Raha heverina ho fanampiana tompon’andraikitra iray hanome tolotra tsaratsara kokoa ny fitsikerana ny asa ataony ; dia raisiny ho fanaratsiana izany.
Ny zava-misy eran-tany ; ny niainantsika teto Madagasikara vao tsy ela, dia mampiseho fa misy « fetrany ny fahanginan’ny olona manoloana ireo tsindry samihafa ataon’ny manampahefana.
Indrindra amin’izao andron’ny teknolojia fifandraisana izao. Ahafahana misoroka fitrongisana mpitondra eo amin’ny toerany ny fanomezana sehatra ny olom-pirenena tsirairay haneho ny
fomba fijeriny ny fitondrana ny raharaham-bahoaka.
Tsy tokony hijanona amin’ny fanomezana azy sehatra hitenenana fotsiny anefa : zava-dehibe mihitsy ny fahasahi’nany manam-pahefana maneho fa henony ireo resaka ireo ; ary ampiasainy
hanatsarana ny fitantanana raharaham-bahoaka izany.
Araka ny noresahina teo aloha ; ny CEDII amin’ny maha fikambanana azy dia manome ity sehatra ity hampiasain’ny rehetra hampisy fifampifehezana bebe kokoa eo amin’ny manampahefana sy
ny vahoaka. Ny fanirianay dia hizotra mankany amin’ny tsaratsara kokoa hatrany ny tompon’andraikitra eto Fianarantsoa noho ny resaka atao amin’ireo fitaovantserasera misy eto an-tanàna sy
ity taratasim-pifandraisana ity.
Araka ny famerimberinay eto dia ny fampiasanareo azy ity no hampisy lanja sy hampaharitra azy.
Alao hery , tompokolahy sy tompokovavy.
Par mosccedii.over-blog.com
0
Derniers Commentaires